Friday, 16 June 2017
RY TANINDRAZANAY MALALA Ô
Nataoko ho fahazarana ny manangana ny fanevam-pirenena manomboka ny 1er hatramin'ny 27 juin isan-taona, na iza na iza mitondra ny fanjakana. Asa mba firy amin'ny olona mitaiza no nanokana fotoana anoroana an'ireo taizany, ny dika sy lanja ary fombafomba sy fahaiza-miaina miaraka amin'io atao hoe sainam-pirenena io. Taona marobe efa lasa, tanàna kely izay no nonenanay. Isa-maraina dia mandeha mividy mofo any amin'ilay tsenan-tsinoa tokana. Tsy maintsy mandalo an'izay sekoly EPP (école primaire publique) izay. Isa-maraina io sekoly io dia mampakatra saina, fa tsy...