Tuesday, 21 March 2017
SHOW AND BUSINESS
Mody tsy tia nefa manara-maso ! Izaho tsy hiteny hoe ny mpanenjika no any aoriana, satria mety ho ny omby roahina sy asesy ihany koa no eo aloha. Izany hoe tsy rehefa ao aoriana dia ratsy. Fa betsaka ny mpialona ahy ! Saingy tohizako ihany ny lalako e. Efa haiko tsara izao ny manamboatra feo rehefa miteny an-kavoriana. Ary ankehitriny vao hitako ny tombontsoa azo tamin’ny fetin-tsekoly fahiny, ilay manao dihy vako-drazana. Nahay chorégraphie vaovao indray manko aho. Hainareo ve ny fomban’ny Mpilalao (mpanao Hira Gasy), ilay somary mihodinkodina kely am-pitoerana...