Sunday, 11 June 2017
FETY BE DA FETY BE
Adihevitra be ny hoe mihinana mba ho velona sa velona mba hihinana. Misy ohabolana vahiny izay, manao hoe ity firenena ity dia mihady ny fasan-kilevenany amin'ny alalan'ny nifiny! Any amin'ny tany afrikana sasany, dia voninahitra lehibe izany hoe matavy sy be hatoka satria mari-pananana sy fiadanana. Noventesin'i #Mamy_Gotso anaty hira hoe mihinàna raha mahita fa ny faty tsy hitahita. Betsaka ny ohabolana sy oha-pitenenana manambara ny toeran'ny sakafo teo amin'ny Gasy. Fanamarihana kely fa izaho dia miteny hoe ny olona "misakafo" fa ny biby no "homan-kanina"! Ny Gasy nahalala...