Alahady 6 août 2017. Mahavariana fa nifanojo tamin'ny andro hanaovan'ny tarika Mage 4 fiakarana an-tsehatra ho fankalazàny ny faha-25 taonany, dia voarain'ny tanako ity magazine Pazzapa mag laharana 18, navoaky ny groupe RTA (radio télévision Analamanga) tamin'ny juillet 2006, misy poster be an'i Ken. Hatramin'ny voalohany no efa nanarahako sy nitiavako an'ity tarika ity. Rock gasy tsara tononkira, tsara feo, olona mahafinaritra jerena satria rockers milamina endrika sy fitafy. Dia izao no tao anatin'ilay gazety-boky. MAGE 4 Firahalahiana-Fifanajana-Fandeferana Ny hampitoetra...

Read more 0