Monday, 02 September 2019
NY TENY MARO TSY ILAOZAN'OTA
Misy fomba fiteny frantsay manao hoe « rater l’occasion de se taire » rehefa sendra an’ireo olona mitsaontsaona. Ny teny maro manko tsy ilaozan’ota, ary izay voateny tsy azo atelina intsony. Fa dia misy olona tsy mahay raha tsy miteny, ary eo anatrehan’ny vavolombelona. Entin’ny hafanam-po nahazo fahafahana sy fahefana (miteny), entanin’ny tanjona anankiray mazava tsara hahazoana « toerana », dia miteny ka miteny, mikiry fatratra mivarotra ny tena. Izay maharitra tokoa no mety ho vadian’ny Andriana ! « Toerana » tena ihirifana ny eo anilan’ny Andriana, mampakatra ny risi-po sy...