Friday, 03 February 2017
FANASANA ATIDOHA, ARAKA NY NTAOLO
Adikako ambongadiny hoe manipulation mentale. Voajanahary ny fampiasana ny fahalalana ny toetry ny olombelona, ilay hoe psychologie, mba hahazoana izay irina ho azo ka ilay olona sy ny feon'ny fieritreretany ary ny fihetseham-pony ihany no atosika hanatanteraka an'izay tiana hampanaovina azy. Voajanahary izany fa izay tonga aloha ihany no tompon-tanindrazana. Ny marina mitavozavoza, ny zandrin-karena, ny kely feo, ny zokim-bomanga, ... no tsy maintsy lasibatra. Henoy ny ohabolana sy oha-pitenenana : -toy ny tsipak'ombalahy ny ana-dray aman-dreny -ny tsihy no...