Saturday, 18 March 2017
RY ZANAKA AM-PIELEZANA
Satria ianareo tsy mahatsiaro tanin-drazana raha tsy Fetin'ny taranaka na raharaham-pandevenana ... Ny ampahatelom-bokatra efa aterina eny am-baravaranareo. Tsy ifanomezan-tsiny fa mahazaka maniraka ny filàn-dravinahitra ... Fa ampahafantarina anareo hoe io vovo-tany atototrareo ny lalana io ange ka mivadika ho fotaka mandrevo toy ny fiompiana drakaka rehefa tratry ny orana. Ka tsy hadalana ny namelàna ny lalana ho karaodrao-bato. Tsy hadalana ny nanaovana ny hoe barrage de pluies, tsy misy fiarabe mahazo mandeha rehefa vanim-potoan'ny orana. Tsy...