Wednesday, 06 September 2017
FEON-DAKOLOSY TOKANA
EZAKA, VALOPY, VOKA-DEHIBE, KARAZANA ALAHADY ... -Grille de protection = ENY. Tsy maharaka ny anjely mpiambina ka efa very tao hatramin'ny tabilaon-kira -Orgue = ENY. Vizana be ny fen'Ingahy Rasolo mivoy an'ilay harmonia -Fanamafisam-peo = ENY. Vizana be mihogahoga ingahy Randria mpilaza raharaha -Kitapo fanatazan-drakitra = ENY. Mba tsy ho sadaikatra ny mpandefa bokotra sy paracetamol raha ilay vilia mitalesaka -Dalle amin'ny fanambanin'ny trano = ENY. Miraikitra anelanelan'ny gorodona ny vodin-kiraroko -Akany = ENY. Tsy tianay sy Jesosy raha ao anaty trano...