Izaho tia orana.   Izaho ilay tia nandefa lakana taratasy nasiako ny anarako eran’ny rian-drano.   Izaho ilay tia nanao soamaroroka ary tsy mba nanavy mihitsy tamin’izany.   Izaho ilay tia mitazantazana am-baravarankely na an-davarangana rehefa mijojo ny orana ary tsy mba natahotra varatra.   Izaho ilay faly be rehefa mitsatoka eo an-tongotro ny avana ao anaty erikerika.   Misy volon’andro tena itiavako mandeha mankany Antsirabe, rehefa manjombonjombona iny …   Saingy manjary matahotra orana aho ry zareo.   Noho ny fahaizana...

Read more 0