Tuesday, 21 March 2017
MAMETRAHA FIALANA
Manakarama an’i Jean-Louis isam-bolana izahay, hikarakara sy hiandry tanàna. Amin’ny ankapobeny dia anisan’ny anton’asany ny fanadiovana. Tsy ilàna fahaizana manokana angamba ny fanavahana ny atao hoe madio sy maloto, ny atao hoe milamina sy mikorontana. I Jean-Louis rahateo dia lehilahy lehibe efa zokinay am-polo taona, heverina ho ampy traikefam-piainana. Tsy izany anefa, fa baikoina isan’andro sy isan-dahasa i Jean-Louis. Rehefa tsy ventesina isan’andro ny toromarika, dia tsy manao mihitsy izy, ary averiny hatrany ny hadisoana ataony. Fa angaha, hono, esorina...