Friday, 02 June 2017
SEKTA, ARAKA NY FOTO-KEVITRA SY NY FOMBANY
Raha tiana hanana ny tanjany sy ny maha-izy azy ny fikambanana iray, dia tsy maintsy maneho ny fironana arahiny. Izay mampisongadina no atao fa tsy atao safobemantsina ao amin’ny zava-kinendry avokoa ny zava-drehetra mba tsy hisafotofoto ao an-tsain’ny olona jonoina : fanabeazana sa fialam-boly sa asa an-tselika sa inona. Ny eo amin’ny lafiny ara-poto-kevitra no hasiana resaka. A-Sekta mivavaka Maka endrika Fiangonana ny sekta mivavaka ary mampiasa ny Baiboly, saingy araka izay itiavany azy ihany. Ny Mpitarika dia mitondra anarana « pasitera » na « loholona » na «...