Sunday, 03 September 2017
MATANJAKA MAHERY
Tamin'izany andro izany, lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, fa tomady sy natanjaka ny mponina tany Androy. Nahoana kosa moa, izao no foto-tsakafo : -Volavolan'ampemba, toy ny poa-katsaka atao boribory lehibe noho ny totohondry, atambatra amin'ny tantely na siramamy natsonika. -Habobo : ronono mandry toy ny hoe ronono mivadika, toy ireny yaourt ireny, matavy sy matevina ery. -Bageda na batata, vomanga hoy ny sasany, vaventy toy ny kibon-dranjo, fotsifotsy toy ny ovy ny hodiny. Atono ireny fa tsy handroina. -Asa raha azo ambara ho voankazo ny...