Sabotsy 19 janoary 2019 no hapetraka amin’ny « toerany » maha-Mpitondra ny Repoblika azy Andriamatoa Andry Nirina RAJOELINA. Voalaza fa tsy hisy fotoam-pivavahana, ary tsy hisy fianianana amin’ny baiboly kristiana. METY IZANY, hoy aho, IZANY MIHITSY NO TOKONY HO IZY. Dia vava be no azoko. Dia tsy raharahako ihany koa satria tsy afaka hifanazava sy hifandrefy amin’izany aho fa tsy mitovy ny vata famarana, samy hafa ny rano nandroana !   Tsy tadidiko hoe oviana no nipoitra ilay fitenenana hoe «  Laïcité de l’Eta t ». Tsy tadidiko na niara-dalana tamin’izany ny firoborobon’ny sampana...

Read more 0