Sunday, 01 December 2019
ANTSAPAKA NY VINTANA
Tsy fantatro amin’ny toeran-kafa. Fa raha ilay toerana niasako, sy ireo fampielezam-peo sy sary aman-tsoratra vitsivitsy sendra henoko dia inoako fa mitovitovy ihany ilay fomba amam-panao. Tonon’andro, tombam-bintana, ny mety ho fiainanao androany, sy ny sisa. Izay ilay lohateny ary dia misy tokoa ny olona tena tsy mahazo toky raha tsy mandre ny « aminy ». Raha ny fahafantarako ny atao hoe « vintana », dia tsy mandeha ambongadiny. Ka ny finoana dia hery hanentana tokoa, raha faminaniana ny ho tsara no heno. Ny finoana dia lavaka hivarinana ihany koa raha sendra faminaniana ny ho ratsy no...