Wednesday, 24 May 2017
SEKTA, ARAKA NY HEVI-TENY
Lafin-javatra maro no azo anasokajiana sy amaritana ny Sekta : ny fiaviany, ny mpanorina, ny fomba fiainana ao anatiny, sy ny sisa. Manana fomba fijery ny tontolo ivoarany ny Malagasy, ary toa tsy dia hita mikaon-doha kanefa mitovy hevitra amin’ny zavatra maromaro. Amin’ny Malagasy, dia antsoin’ny ankamaroan’ny olona hoe Sekta avokoa izay antokom-pivavahana na vondrom-bavaka vaovao rehetra ka tsy anisan’ny FFKM (1). Raha misy fikambanana mikarakara hetsika matetitetika, mivoaka ny sehatry ny Fiangonana mahazatra, miendrikendrika « iraisam-pinoana », manao ngadon-kira...