Monday, 10 July 2017
ROMOTRA
Soa ihany fa fahafinaretako ilay manoratra tantara ka tsy mandaitra amiko ilay hoe ho vizana eo ianao! Fa ity JL ity, raha izay mba fanorotoroana nomena azy izay ... Izy efa tsy tia siansa rahateo, asa raha empiriste, tsy hay na vontom-pinoana ihany koa. Fa aleo hofintiniko hoe miankina amin'ny capital génétique mihitsy ilay toe-draharaha. Vao tsy ampy iray volana. Maty i Paulin, iray vakim-paritra aminay. I JL moa, mpanao gazety latsaka kely : "tsy narary tsy nari-koditra ange hono e. Narary an-doha kely fotsiny dia nalemilemy dia nanary aina! Fa ilay alikany no tena nampalahelo....