Ny foko angamba no vita amin'ny labozia ka mora miraraka ompana raha vao tratry ny hafanana!   Mitohana izaitsizy ity fifamoivoizana. Noho ny antony betsaka efa iaraha-mahalala. Fa nanampy trotraka ity fiarakodia somary efa antitrantitra, nefa hita ho tsy mbola foin'ny tompony. Maty àry ity izy. Ilay fiara fa tsy ilay tompony. Tera-tsemboka mihitsy ilay rangahy efa lehibe nanosika azy naka sisiny.   Dia nandalo ity anankiray sady niteny hoe " ario amin'izay rapapany fa efa tsy izy intsony ah. Na amidio amin'ny kilao fa mbola lafo gala io ".   Peugeot 404 ilay fiara....

Read more 0