Friday, 12 May 2017
HAFAHAFA
Efa fantatrareo i Jean-Louis (JL) mpanampy anay. Marenina izy ka rehefa iresahana dia ohatra ny mijerijery be sy manatona akaiky izay. Asa na noho izy tsy ampy karazan-javatra hotantaraina na mba te hiavaka amin'ireo mpiray dinidinika aminy, fa henoko hoe izaho anisan'ny ataony anton-dresaka mahafinaritra azy. Misy hazo kesika tokana izay eny am-pita avaratry ny tanàna. Hafahafa faniry izy io fa misy toy ny lahin-taretra mitsoropaka avo be mivoaka avy ao ampovoany ao. Manaloka sy mandondona be ilay hazo ka manaitra ahy foana raha voajery tampoka, toy ny olona goavana mijaridina...