Thursday, 27 July 2017
HAFATRA
Raha hanao fitsapan-kevi-bahoaka angamba ny amin'ny tononkalon'i Rado (Georges Andriamanantena) be mpitia indrindra dia ilay miandoha amin'ny hoe "Ho any ianao kanefa ..." Mba efa ela koa iny, haiko tsianjery, efa novaliako aza, fa izao aho vao manontany tena hoe "haninona any moa ity ilay nohafarana, dia iza izy io ?" Dia izao izany. Raha ho any ianao Dia mba iangaviako hitondra izay mba hafatro. Ampahafantaro azy ny antom-pijaliako Mitambesatra ao an-tratrako. Mba lazao azy fa izy hono hoe Tsy nampahory anao, Tsy tao an-tsainy akory na ny hanome adin-tsaina ho...