Tamin'ny voalohany ny Teny ... Dia Teny Soa.   Karazana boky sy gazety izany namonosan-kena sy siramamy izany taloha! Efa hain'i Neny fa tsy simbaina ireny ary tsy ariana fa ahahy, mba ... hovakiako. Tsy nifidy na inona na inona hovakiana mihitsy aho hatramin'izay ka hatramin'izao fa misy fotsiny ny tiako sy ny tsy tiako. Eto an-tany moa dia ny tsy tiako no betsaka.   Tsy ampy ireo boky nanananay, sady maro no tsy takatry ny saiko ka dia nianina tamin'ireo ravin-taratasy feno ran-kena sy maditin'ny siramamy aho. Nisy gazety ihany tao an-trano fa tena tsy tiako ny bikany...

Read more 0