Wednesday, 31 May 2017
FRAMASAO

Voalohany indrindra, franc-maçon no izy fa tsy FRAMATION. Ny franc-maçonnerie dia fikambanana manahirankirana ny besinimaro noho izy manana fomba amam-panao iavahany, na dia voalaza aza fa mikatsaka ny mahasoa ny zanak’olombelona tsy ankanavaka. Fikambanan’olona notsongaina manokana, manana tsiambaratelo sy firahalahiana mampitambatra azy. Ny olona mpikambana ao no atao hoe francs-maçons. Mandà mafy tsy ho secte na fikambanam-pivavahana na antoko politika ny francs-maçons satria tsy manana foto-pampianarana manokana arahana, tsy manery amin’ny finoana ary tsy mikatsaka...