Efa misasakalina izao, fitantarana tantara mahafinaritra toy itony … Nisy ampahany tamin’ny fotoam-pahazazako niainako tany amin’ny faritra Androy sy Mahafaly. Ambovombe, Amboasary, Tranoroa, Antanimora, Vohitramboa, Isoanala, Ampanihy, Bekily, Betroka, Betioky … Ny atao hoe miakatra ville dia mankany Ihosy na Fort Dauphin. Rehefa toy izany, dia ao amin’ny trano izay omen’ny toeram-piasan’i Dada ihany no mitoetra (gîte d’étape). Miara-mandeha izahay rehefa toy izay. Tao Fort Dauphin àry. Trano lehibe izay no nipetrahana. Trano mahaleo tena mifefy sy misy vavahady tsara hidy....

Read more 0