Monday, 18 June 2018
MBA ATAOVY MADIO ILAY LALAO
Izaho tsy tia miloka, tsy tia manao fanamby, tsy tia milalao antsapaka. Rehefa mety ho fitadiavana sitrany amin'ny kisendrasendra dia tsy tiako ary tsy ataoko. Tsy misy antony afa-tsy ny hoe tsy mety mahazo amin'ireny mihitsy aho. Nivoaka avy tao amin'ity tsena anankiray tao Antananarivo aho dia nosakanan'ilay tovolahy manao dokam-barotra ho an'ny orinasam-pifandraisan-davitra iray, izay tambazotra ampiasaiko rahateo ka dia nijanona aho nihaino azy : -Misy "lalao" ahazoana loka hoy izy ka mba mandraisa anjara. -Tsia hoy aho fa lazao izay andrasanao amiko. -Mividy...