Tuesday, 22 August 2017
ZOKIM-BOMANGA
Tora-poko irery toy ny ataoko rehetra ihany ity. Izay indray vao henoko ilay ramatoa anankiray malaza be mpanao politika sy be politika. Dia tsaroako ny nanositosehany ahy tao anaty fivarotana iray. (Efa nosoratako ity tantara ity). Izaho efa mpanjifa tao foana, na ho an'ny tenako na ho an'ny asa fivelomako. Fa izy, nanao be fiavy nombam-pianakaviana nony injay voatendry tampoka tamin'ny andraikitra "ambony" tao amin'ny fitondram-panjakana! Vao niditra ny andian-dehilahy be solomaso mpiaro ny ainy sy ny fananany, dia nikisaka avokoa ny olona "tsotra" rehetra. Izaho tsy nahita fa...