Heveriko hatrany ho fototry ny filaminan-tsaiko sy ny filaminam-piainako, ny fitoerako eo amin’izay sata misy sy antonona ahy. Raha avo aho, tsy hietry ; raha lesoka aho, tsy hisavika. Ny vavaka nampianarina ahy sy nekeko nianarana rahateo dia tsy mampangataka ahy ankoatra ny hanina sahaza, izany hoe tsy mihoatra, tsy latsaka. Izay sahy maty, hono, no mifono lambamena. Saingy na fy aza ny amalona, ny lela tsy atao jono. Tsy itomaniako ny randrana efa hitako izao fa tsy manendrika ahy. Hakanosana no anaran’izany. Nanozongozona misimisy kokoa ny antsavily mahavaka ny saiko ity hoe...

Read more 0