HIC-ET-HIAKA

Tag > fahantrana

Tuesday, 11 June 2019

ENTO NY ZIOGAKO !

Hahavitako boky matevina lehibe iray raha ny traikefa tamin’ireto karazana olona « novelominay ». Tsy « mpiasa » izy ireo, satria tsy niasa. Tsy « mpanampy » satria tsy nanampy. Izany hoe nanampy ihany, fa nanampy fahasahiranana. Tonga avy any, toa tsy « nitady » asa loatra, fa enta-mavesatr’olona tany ho any, nitadiavana toerana hanala sasatra azy mianakavy. Tonga, tsy am-bariraiventy « hono ». Ny sasany, tsy mivingitra afa-tsy sakaosy am-babena anankiroa, hany «entany ». Efa tsy haharitra izy manao an’io. Iantohana manontolo ny lovia aman-tsotro. Koa satria leon’ny avansy...

Read more 0

Saturday, 06 April 2019

TAMAN-KOMAM-POTSINY

Te hivazavaza faran’izay mafy aho hanazava sy hanaporofo fa tsy mitombina ny hoe « tsy misy asa ». Ahoana no handreseko lahatra anareo tsara fo sy fanahy rehetra ireo, fa io tolotolotra maimaim-poana ataonareo indray mandeha isan-taona io, dia poizina mikolokolo ny toe-tsain’olona ho taman-koman-tsy misasatra. Ny hany ezaka ataony dia mamantatra ny tetiandronareo mpanao asa soa, ary dia vita...

Read more 0

Friday, 02 November 2018

NY FAHANTRANA SY NY LOTO

Efa « antitra » mihitsy aho vao mahita valiny sy fanazavana amin'ny zavatra maro. Izay nahakasika ny tena moa, ka nitera-pahavoazana, dia sira latsaka an-drano. Fa ny ankapobem-piainana, dia...

Read more 0

No more posts available.

> Top