Tsy ny fositra no tsy hambolem-boavahy.   Tsara sy deraina ny hevitra sy ny fikasana. Dia tsaroako ity tantara ity. Mba tantaraina fotsiny na dia fantatra aza fa tsy vitsy no toy ity. Ary soa ihany koa fa tena mbola betsaka no tsara sitrapo eto an-tany.   Mpamily fiarakaretsaka (taxi) ity lehilahy, matihanina, hatrizay nahazoany permis de conduire.   Mitantara ny vady aman-janany : "Raha vao miala ny clients, dia efa andrasan'i dada mihitsy sady irariany mba hisy entana hadino. Ary raha vao misy hadino, tonga izy dia mody fa tsy miasa intsony amin'iny tontolo andro...

Read more 0