Monday, 06 January 2020
MODY GAGA
Mahatsiaro anao aho ry Eliane TISSOT amin’ilay fiteninao mazàna hoe « mody gaga ». Fa dia betsaka no mahay an’io. Tsy izany manko fa izao : Vao samy 20 taona angamba izy roa ireto no nifankatia, hono. Dia tsy nisy nifankatia toa azy teto an-tany. Dia niroso tamin’ny fanambadiana araka ny fomba rehetra mahazatra. Dia nizotra tamin’ny lalam-piainana manara-penitra : narahin-jazavavy sy zazalahy. Dia hoy ianao hoe tsy ho faty ny aina. Dia nitombo ny taona, nitombo ny harena, nitombo ny taranaka satria nivelatra amin’ny hoe fananana vinanto. Ho loa-jafy tsy ho ela. Dia indro...