Sunday, 10 March 2019
MISAVIKA (DEMOCRATIE A LA CON)
Ny tiako holazaina dia hoe nisy fotoana nanaovana hadisoana, ka nanomezana fahefana ny tsy tokony ho nomena fahefana. Nanomezana fahalalahana ny tsy tokony ho nomena fahalalahana. Mbola soatoavina (valeurs) heveriko ho tokony hitoetra ny fahefan’ny zoky, ny lehilahy, ary ny « mpitondra ». Very haja, very hasina, very fahefana ireo noho ny antony avy amin’ny tenany sy avy amin’ny manodidina. Ny adidin’ny manodidina dia ny « miaro » an’ireo olona ireo ho mendrika ny toerany sy ny satany. Fa tsy hifandrombaka hanongana azy mba hakàna ny sezany. Fa tsy handray andraikitra tsy...