Tsy nahafaly ny olona ny fanerena hiala satroka tamin’ny Ramanenjana, izay olona « ambany » sy « mpanompon’olona » ny akamaroany. Ny tahotry Radama II an’ireo Ramanenjana no nahatonga azy namoaka an’izay kabary izay. Novoriany tao Isoanierana indray àry ny Menamaso sy ny Manamboninahitra lehibe ary ny Andriambaventy. Rabetsarazaka Menamaso dia nanome teny ny Lehiben’ny Mpiambina Andriana mba tsy hanao sapaoritra na iza na iza afa-tsy Radama II irery ihany. Tonga àry Rainivoninahitriniony praiministra sy Rainilaiarivony Commandant-en-Chef, narahin’ny Manamboninahitra maro, fa...

Read more 0