Tsy mazava amiko aloha hoe inona koa ilay birao hoe Distrika Avaradrano eny amin'ny Boulevard de Tokyo, atao hoe By-Pass, ataony hoe Alasora, izay tsy dia ekeko ho Alasora ... Resaka hafa iny. Fa mba hankasitraka an'ilay eo Sabotsy Namehana aho androany. Mba hafa samy biraom-panjakana. Mba hafa samy mpiasam-panjakana. Ankoatra ny fahamarinam-potoana, dia feno fanajana olona tokoa, tsy mifidy na iza na iza. Tsy mba manasaro-javatra fa dia mora ifanarahana sy ifampiraharahana. Tsy kolikoly na fihoaram-pefy no resaka fa fifampitsimbinan'ny samy olombelona. Avy lavitra be...

Read more 0