Monday, 13 May 2019
MANAO FETY
Teny an-tanànanay fahazaza, dia manao « fety » izahay rehefa tsy mianatra. Mizarazara isaka ny vakim-paritra, ohatra hoe avara-dalana, ambony andrefana. Samy manana tarika, ary tarika iray ihany isaka ny vakim-paritra, fa tsy hoe Ambony-andrefana I sy II, toy ny hoe MAPAR I sy II sy III sy IV sy ny sisa. Dia mifandimby manao « fampisehoana ». Izay ilay hoe « fety ». Matetika « dihy mirindra » no atao, amin’ny hiran’i Cloclo sy Boney M. Tsaroako tsara mihitsy izany, fa raha nisy naka sary mihetsika sy feo, dia tena ho nampihomehy be tokoa. Ka sary tsotra aza moa tsy nisy. Tsy nisy...