FIJERIN'OLON-TSOTRA Isaka ny vao miandoha ny volana jona, ny vain-dohan-draharahako dia ny manangana ny fanevam-pirenena hihofahofa eo an-davarangan’ny tranonay. Niainako ny faramparan’ny repoblika voalohany, ny repoblika faharoa manontolo, ny repoblika fahatelo sy ireo karazana tetezamita fa tsy niova mihitsy izany fombanay izany satria Malagasy izahay ary mba isan’ny tompon’i Madagasikara na iza na iza mpitondra. Miaraka amin’izany fientanentanana hankalaza ny 26 jona izany koa, nony nahatsiaro saina kokoa aho, dia manao jery tombana lalindalina kokoa mikasika ny fiainam-bahoaka...

Read more 0