Hahavitako boky matevina lehibe iray raha ny traikefa tamin’ireto karazana olona « novelominay ». Tsy « mpiasa » izy ireo, satria tsy niasa. Tsy « mpanampy » satria tsy nanampy. Izany hoe nanampy ihany, fa nanampy fahasahiranana. Tonga avy any, toa tsy « nitady » asa loatra, fa enta-mavesatr’olona tany ho any, nitadiavana toerana hanala sasatra azy mianakavy. Tonga, tsy am-bariraiventy « hono ». Ny sasany, tsy mivingitra afa-tsy sakaosy am-babena anankiroa, hany «entany ». Efa tsy haharitra izy manao an’io. Iantohana manontolo ny lovia aman-tsotro. Koa satria leon’ny avansy...

Read more 0