Wednesday, 28 August 2019
DIA MAITSO

Fihaonana . Toerana mivesatra tantara. Dia samy manoratra an’izay fantany sy tiany hampitaina ny mpikaroka, ny mpandalo, ny mpamaky boky, ny tera-taniny … Zavatra vitsy ihany no hotsiahiviko. Lasim-pivondronan’ny XIV° efa taona maro lasa izay. Naniry an-taona vitsivitsy ilay filao nentiko avy any, dia maina, dia maty. Dia manimanina an’Ivonizongo tany niaviana aho ka indro niara-dia tamin’i dadatoa Alphonse, nanao fizahan-tany tao anatin’ilay hoe DIA MAITSO. Ny zohin’ny maritiora, ny sekolin’ny misionera, … Dia nanatitra an’ireo hava-malala tany am-pasan-drazany avy....