Misy tononkira anankiray izay, milaza hoe «  izaho sy ianao dia iray tanàna ary indrindra koa moa fa iray lycée  ». Niray kolejy isika nandritra ny taona vitsivitsy, dia mpinamana tsy nifankafoy. Nalazalaza ny fanaovana angon-javatra toy ny hajia, sady fahafinaretantsika rahateo ny mandray taratasy tonga tamin’ny Paositra. Na mifankahita isan’andro any an-tsekoly aza, dia mifandefa taratasy isika, ary miaraka mandatsaka azy any amin’ny biraon’ny paositra mihitsy. Nalaintsika fanahy ny mpiasan’ny paositra, nofandrihantsika, fa tsy nisy nipika ny afera kelintsika. Fanaontsika ihany koa fa...

Read more 0