Notsikorofohan-dry zareo ny vatasarihan'ny fahatsiarovako. Toy ireny hoe niara-nilalao tongo-kazo sy papango taratasy ireny! Niresaka boum dia tadidiko ity tantara ity, famerimberin-dry "tovolahy fahiny" rehefa tafahaona aty aoriana. Tao Antsakaviro, hono. Lasa fianaran'ny Médecine ilay trano tato aoriana. Nisy fandihizan'ny tanora matetika tao. Dia azafady fa ataoko araka ny fitantaran-dry zareo azy, mpiara-manenjika boum. Mifanindry ny bandy, izay iray mahazaka sipa milay indrindra rehefa mirava ny boum. Mandeha tsirairay manko rehefa miditra. Dia mivoaka tsiroaroa rehefa...

Read more 0