Wednesday, 06 March 2019
A LA PAZ
Ny Malagasy dia tsy mba mionona amin’ny maha-izy azy ankehitriny, fa milofo mafy hitady « fiaviana ». Arakaraka ny tombontsoa sy ny vanim-potoana io. Indraindray Vazimba efa teo, indraindray mandà mafy tsy ho afrikana, matetika aziatika, ny sasany moa dia arabo, ary lamaody izao ny hoe jiosy. Fa tsy mbola nahare aho hoe latino-amerikana. Gaga be aho manko ny amin’ny fitoviana maromaro amin’ny gasy sy ny boliviana. Zanatany espagnol anefa ry zareo taloha. 1-Ny tanàna : raha tampenana ny maso mandritra ny dia, ka asaina mamantatra hoe aiza ianao ? Dia toy ny eny...