Variana ihany aho. Rehefa miantrano any aman'olona, na akaiky ahy toy inona, fady ahy sady tsy ao an-tsaiko rahateo ny hanao fanamarihana*, na tsara na ratsy, amin'izay hitako. Raha tsy hoe anontaniana ny hevitro. Ary rehefa manontany ny hevitro, dia vonona sy sahy hihaino izay lazaiko tokoa. Fa hoy ity olona nivahiny tao aminay : "andray, mampatahotra be koa ity servietanareo! Fa maninona no atao fotsy be toy ireny?" Koa satria tsy nijanona ho fanamarihana (remarque) ilay izy, na dia niendrika fanakianana (critique) aza, fa narahana fanontaniana, dia izao no valiny omeko ny rehetra...

Read more 0