Friday, 03 February 2017
FAMPIHAVANANA HONO KA HOE
Eny ry izy mianakavy. Izaho tena tsy tia miresaka an'ity fihavanana-fihavananareo ity. Fa hosoratako fohifohy ihany satria tsy te hiady an-tsena aho hoy aho. Inona moa no tena dikan'io teny na concept tsy hita dikany amin'ny tenim-pirenena hafa io? Raha tsy ifanarahana ny famaritana an'io, dia samy handrirotra araka izay mahamety ny tsikalakalam-bolany. Fampihavanana? Raha horasaina ara-pitsipi-pitenenana fotsiny dia misy fototeny hoe "Havana" ary tovona "mamp" ? Izany hoe misy antokon'olona roa, na olona roa, samy maka ho azy, atambatra amin'ny alalan'ny fihavanana....