Wednesday, 25 September 2019
DE L'HOMOSEXUALITE
Betsaka ny zavatra sy fomba ataon’ny hafa, tsy iombonako hevitra. Tsy manana fampieritreretana hatao ho azy ireny aho, fa manohy ny teny ireriko toy ny mahazatra ahy. Misy zavatra tsy hataoko mihitsy, fa tsy mampaninona ahy raha misy manao, ary tsy ifandirako aminy rehefa tsy manelingelina ny zotram-piainako. Ny atao hoe PACS dia pacte civil de solidarité. Fifanarahan’ny olona roa izy io, hamaritany ny fepetra iarahany miaina. Atao hoe pacsé(e)(s) ny olona voafatotr’io fifanekena io. Mety ho lehilahy sy vehivavy io, mety ho lehilahy roa, mety ho vehivavy roa. Izany hoe tsy mariage...