Tuesday, 16 May 2017
MBOLA VOA IHANY
Nifanao fati-dra vao haingana izaho sy ny hakamoana, saingy tsy aritro ihany ity rey olona. Mbola "voa" ihany. Tsy hoe voa ahoana fa ilay taova atao hoe reins. Tena saro-pady izy io ary antoky ny ain-dehibe satria ny asany dia manatantavana ny ra ary manilika ny loto sy ny poizina hivoaka amin'ny alalan'ny pipi. Jereo ilay note hoe #fakan -tsilo. Rehefa simba izy ireo ka tonga amin'ny tsy fahafahany miasa intsony, dia izay ilay atao hoe insuffisance rénale. Atao hoe insuffisance rénale terminale izy rehefa tody amin'ny fetra farany. Tsorina, fa vavahadin'ny...