Tuesday, 21 March 2017
ANTONGONA
Antongona dia havoana eo andrefan'Antananarivo, somary atsimo kely foana, sahabo ho 26km manaraka ny lalana. 3 na 4km tora-tady avarabaratra kelin'i Merintsiatosika (Fenoarivo). 1508m ny haavony. Eran' #Imamo avy atsimo sy andrefana, ary avy ao #Vonizongo sy #Marovatana dia tazana toy ny omby adalalahy miatsinanan-doha izy. Mahatazana lavitra ny manodidina koa avy eo ... Hatramin'ny faritany Vakinankaratra. Izany Andriamioro izany no mpanjaka tranainy indrindra fantatry ny lovantsofina ho tompon'Antongona. Tokony ho niara-belona...