Friday, 20 December 2019
KITRO SA TRANON-KALA
Efa be loatra izay zavatra noresahina sy notsikeraina sy nofakafakaina izay. Efa haniry kitro ny lela niteny sy ny tanana nanoratra. Na ny milina nampiasaina aza, efa mila hahafantatra mialoha an’izay tiana hatao. Dia tsy hiverenana intsony ireny, fa aleo izay mitady haniry tranon-kala indray no mba hotsikorofohana. Tsikorofohana toy ny fanao eny amin’ny toerana rehetra misy « fako ». Sasatra foana izahay manavaka ny karazana fako hariana eny amin’ny fanariam-pako iombonana. Satria izahay dia manana lava-pako fanaovanay zezika ilainay amin’ny fambolena. Ka ireo izay tsy maintsy...