vavahady fasan'ny rain'i mamabe.jpg

AMBOHITRANTENAINA dia Fanjakana lehibe teo Imamo, fa hadinon’ny tantara. Araka ny lovantsofina, ny Andriana voalohany teo Imamo dia fianakavian-dRaminia, ilay silamo, fantatra kokoa any amin’ny faritr’i Mananjary. Tonga teto Madagasikara avy any Malaisie izy sy ny rahalahiny atao hoe Andriakovatsy sy ny anabaviny antsoina hoe Andriankova. Natao hoe Zafiraminia ny taranak’izy ireo.   Nony nandroso taona Raminia, dia nanapa-kevitra handao an’i Madagasikara, fa niteny kosa tamin’ireo fianakaviany mba hijanona. Niditra lalindalina kokoa tany anaty ala ireo havany ireo, nitondra...

Read more 0