Thursday, 15 February 2018
ANDRIAMASINAVALONA
Nanjaka teto Imerina nanomboka tamin'ny 1675 hatramin'ny 1710. Zanaka lahiaivon'Andriantsimitoviaminandriandehibe. Razakanavalondambo, na Andrianjakanavalondambo, no anarany fony tsy mbola nanjaka. Nandimby ny rainy. Mpanjaka telo lehibe no teraka tsinan'Alahamady ka nahatonga an'izany ho andron'Andriana nanaovana ny Fandroana tany am-boalohany (Ralambo, Andriamasinavalona, Andrianampoinimerina). Misy adihevitra mikasika ny reniny. Ny voatana dia hoe samy zanaky Rampananamboninitany tamin'Andriantsimitoviaminandriandehibe izy sy ny zokiny Razakatsitakatrandriana. Ny...