HIC-ET-HIAKA

Tag > andramasina

Saturday, 26 January 2019

ANDRAMASINA

ANDRAMASINA.JPG

Ny Andriana fahiny tany Andramasina dia tsy mba nanao hadivory. Ho fiarovany ny Vohitra, dia nohatsahany ny sisin-tanàna mba ho hantsana kokoa sarotra hanihana. Izany no tantaran’ny hadim-bazimba manaraka ny moron’ny Sisaony, avy any atsimo sy andrefan’ny toerana nonenana. Ny Vohitr’Andriana tranainy dia teo akaikin’ny rian-drano lehibe mahafinaritra, teo « an-driana ». Izay, hono, no niavian’ny teny hoe Andriana … Nampiasaina nanaovana ny « fombafomba » aorian’ny Tsimanatimindrana (fahafatesana) ny riana : tsy milevina miaraka amin’ny tsinainy ny Andriana, ka alefa any amin’ny rian-drano...

Read more 0

Tuesday, 21 March 2017

ANTONGONA

Antongona dia havoana eo andrefan'Antananarivo, somary atsimo kely foana, sahabo ho 26km manaraka ny lalana.   3 na 4km tora-tady avarabaratra kelin'i Merintsiatosika (Fenoarivo). 1508m ny haavony.   Eran' #Imamo avy atsimo sy andrefana, ary avy ao #Vonizongo sy #Marovatana dia tazana toy ny omby adalalahy miatsinanan-doha izy.   Mahatazana lavitra ny manodidina koa...

Read more 0

No more posts available.

> Top