Wednesday, 06 November 2019
NY NANAHARY
Midona ny oran-ko avy, manako ao am-po mahatsiahy ... Dia mandeha ny andro sy ny fotoana. Miha-manify ny laharan'ny indray mihira tamin-dry Neny. Tena miha-vitsy ireo hany sisa antsoiko hoe "dadatoa". Fa lasa niamboho koa i tonton Jacques, na Andriamialisoananahary Jacques, ilay farany tavela tamin-dry Nanahary mirahalahy avy namorona ilay tarika mpihira. Misy ny zaza mpandimby, fa efa mpandimby ... Raha tsy diso aho, dia tamin'ity 2019 ity avokoa no nandeha izy telo mianadahy : Bako, Pierre ary Jacques. Impiry hiakatra an'Ampananina isika rankizy? Tsy ho hitako intsony...