Ny alakamisy 12 mars 1863 no heno voalohany tao Antananarivo ny RAMANENJANA, izay niseho tany Ibetsileo.   Tsy faly Ranavalona I satria nampidirin-dRadama II avokoa ny vazaha sy ny kisoa ary ny fivavahana kristiana. Hiala any Ambondrombe mihitsy, hono, Ranavalona I, ka ho tonga ao Antananarivo, mba hananatra an-dRadama II noho izany, ary rehefa tsy laitra anarina, dia hoentiny mankany Ambondrombe ihany koa. Ny matoatoa no mitondra ny entan-dRanavalona I miakatra, ary izay tsy zakany dia entin’ny Ramanenjana. Voalaza fa ireo Ramanenjana ireo dia olona tsindrian-dRanavalona I,...

Read more 0