Tuesday, 21 March 2017
AMBOHITRANDRIANANAHARY
Andriamananitany dia zandrin'Andriamanelo iray tampo aminy ary zanaky Rangita. Noho izy zandriny dia hoy Rangita : "Ny Alakamisy dia anao Andriamanelo fa andriamatoako ianao, ary ny Zoma kosa no anao Andriamananitany fa zandriny ianao, ka mahandrasa ny farany." Andriamananitany no nanorina ny tanàna #Ambohitrandriananahary . Nony nalonina izy tamin'ny nahavitany ny hadivoriny faingana sady talohan'ny an'Andriamanelo zokiny teo #Alasora , dia lasa izy nanatona an-jokiny. Nangata-dalana sy nangata-tsodrano taminy izy mba honina eo avaratry ny hadin'Alasora. Ny anaran'io...